Miarahaba ny membres MCCP rehetra manerana ny nosy. Mety efa maro ny membres MCCP no mahalala ny momba ny RIDEs na Rencontres Interdiocesaines des Equipes izay natao tato ho ato. Fihaonamben’ny ekipa mivondrona ara-jeografika izy io. Misy 4 izy ireo raha ny fitsinjaran’ny Birao nasionaly azy: RIDE-nord, izay ivondronan’ireo ekipa rehetra any avaratry ny nosy, ny RIDE-centre izay ivondronan’ny ekipa eto afovoany, ny RIDE-sud, misy ireo any atsimo rehetra, ary ny RIDE-est, ivondronan’ireo ekipa any atsinanana. Efa vita moa ny RIDE-nord tany Majunga (15-16-17 desambra 2023). Tanteraka ihany koa ny RIDE-centre izay natao tany Tsiroanomandidy ny 5-6-7 avrily lasa teo. Izao indray dia miomankomana ny any Manakara handray ny RIDE-sud, izay ho tanterahina ny 26-27-28 Jolay ho avy izao. Ny RIDE-est moa dia ho tanterahina amin’ny voalohandohan’ny novambra 2024. Ireto avy ny ekipa asaina amin’ny RIDE-sud: Manakara, Vohipeno, Mananjary, Farafangana, Vohipeno, Ihosy, Taolagnaro, Morombe, Sakaraha, Fianarantsoa. Efa eo am-pikenonkenonana fatratra moa ny ekipa mpandray sy ny Birao nasionaly amin’ny fikarakarana io fihaonan-dehibe io. Anisan’ny agenda ny fanaovana tombana ny fanantanterahana ny fehin-kevitry ny zaikabe faha-8 tany Fianarantsoa (2022), ny fifanakalozana sy fifampizarana, ny fanamafisana ny traikefam-pikambanana. Koa dieny izao dia manentana ny mpikambana mivondrona amina ekipa amin’ny faritra atsimo mba hisoratra anarana mialoha hahalalana ny isan’ny mety ho tonga. Mbola holazaina miandalana eto ihany moa ny fizotran’ny fiomanana fa dia aina no matezà. Aseho eto tsy ho ela ihany koa ny TDR-n’io RIDE-sud io. Mirary soa antsika rehetra ary dia manasa antsika hitondra am-bavaka sahady io fihaonamben’ny ekipa any Manakara io. AMDG.