HISTORIQUE
Ny MCCP sy ny tantarany teto Madagasikara
Tamin’ny taona 1989 no niforona ny MCCP izay nivondronan’ireo maintimolaly MIEC tany Fianarantsoa sy Antananarivo, teo ambany fitantanan’ny filoha voalohany, Itompokolahy Jean Claude Raobelina sy ny fiahiana ara-panahin’i Itompolahy Mompera Giustino Bethaz (1929 – 2021). Mpikambana vitsivitsy no nanomboka nihaona isaky ny Alahady fahatelon’ny volana, tao amin’ny CNPC-Antanimena. Isaorana Andriamanitra fa saika voatana io fomba fanao io nandritra ny taona maro, afa-tsy ny tamin’ny fotoanan’ny fihibohona ara-pahasalamana nandritra ny fotoan’ny Covid-19 teto amintsika. Niroborobo tsikelikely ilay voatsinapy (Mat 13: 31-32) ary dia lasa hazo midoroboka ankehitriny. Niitatra tany amin’ny faritra sy ny diosezy samihafa ny firohotana ka anketriny dia saika henika azy ny diosezy 21 eto Madagasikara, izay mitsinjara ho ekipa 39. Miisa sahabo eny amin’ny 350 mahery ny mpikambana manerana ny nosy miaraka amin’ireo mpitantana ara-panahy vitsivitsy.

1999 : Ireo mpiandraikitra ny kristianina sy ny demokrasia
2002 : Ireo mpiandraikitra kristianina, tomponandraikitra feno miatrika ny fihovan’ny tontolo politika sy ekonomika
2008 : Ireo mpiandraikitra kristianina miatrika ireo fanambin’ny taonjato faha-20 (Fenoarivo Antsinanana)
2011 : Fianakaviana mamita iraka – Familiaris consortio (Toliara)
2014 : Anjara toeran’ireo mpiandraikitra amin’ny fampiroboroboan’ireo soatoavina ho an’ny fanovana nasionaly (Toamasina)
2017 : Tontolo inona no avelantsika ho an’ny taranaka mifandimby? Laudato Si (Maroantsetra)