(JCC : Journées des Cadres Chrétiens 2022)
nokarakarain’ny MCCP TANA
16 sy 17 JOLAY 2022 (Kolejy Masina Misely Amparibe – Antananarivo)
- ny Sabotsy 16 Jolay: famelabelarana narahina ady hevitra momba ny lohahevitra hoe « Ny Eglizy sinaodaly sy ny mpiandraikitra kristianina : fanamby sy fanantenana ».
- Ramatoa Razafimamonjy Noro Hanitra, Mpanao gazety sy mpanoratra mikasika ny toekarena sy ny politika ao amin’ny gazety Lakroan’i Madagasikara, no nanokatra ny famelabelarana ary nampatsiahy fa amin’ny ankapobeny dia ny fanovana ny fomba fijery ao amin’ny fiangonana no tena amporisihin’ny Papa Fransoa amin’ity sinaoda ity. Teboka telo lehibe no nitondrany ny famelablelarany dia ny mahakasika ny fifandraisana eo amin’ny samy olona (pretra sy lahika etsy ankilany, ary ireo samy lahika etsy andaniny) ; nosoritany ihany koa ireo fanamby miandry ny mpiandraikitra (cadres) amin’izao vaninandro iainantsika izao ; ary nofaranany tamin’ny filazana ireo fanantenana eo anivon’izao tonotolo izao sy ny fiarahamonina ary ny Eglizy.

Ireo mpandray anjara rehetra tamin’ny JCC 2022 nandritra ny lamesa fanamarihana
Ny mpiandraikitra, hoy izy, dia manana andraikitra lehibe ao anaty sinaoda satria anisan’ny olona manana andraikitra eo amin’ny fiaraha-monina. Raisina ho toy ny raiamandreny ary omen-kaja sy voninahitra ka tokony ho mendrika izany.
Maro ny fanamby miandry ny mpiandraikitra eo amin’ny fiangonana sy ny fiaraha-monina indrindra amin’izao fotoana mihasarotra noho ny zava-mitranga eran-tany ankehitriny izao. Tokony hahay hihaino (hihaino amin’ny sofin’ny fo), hiteny, handanjalanja sy hijoro ho raiamandreny foana anefa izy ireo.
Ny irina dia mba ho tompon’andraikitra mandala ny maha-malagasy sy ny soatoavina kristianina izy ireo. Ho tompon’andraikitra hanaja sy hitazona ny andraikitra misy azy. Tompon’andraikitra hizara andraikitra sy hampandray andraikitra ny hafa.
- Mompera Rabenirina Joseph, SJ., Talen’ny famoahamboky Edisiona Ambozontany (famokaram-boky ny pretra zezoita ao Analamahitsy), dia nanamafy fa ny Eglizy “miara-dàlana” (metimety kokoa noho ny “miara-dia” hoy izy) dia ny fiarahan-dàlana amin’ny Tompo, amin’ny mpino rehetra sy ny tsy mpino ihany koa. Ity sinaoda 2021-2023 ity dia fampiharana ny tapaka tany amin’ny Konsily Vatikana fahroa dia ny fampandraisana andraikitra ny kristianina.
- Ady hevitra teo amin’ireo mpandray anjara:
- Maha-Malagasy: Malagasy aloha isika vao kristianina ka tokony hanome lanja ny maha-Malagasy antsika, ny soatoavina ary ny filôzôfia Malagasy;
- Fanaovana pôlitika: Amporisihina ny mpiandraikitra mba hirotsaka amin’ireo toerana pôlitika “postes politiques”, na fidiana na tendrena, hijoro ary ho sahy hiteny sy milaza ny marina rehefa ilaina izany. Tokony hifanohana ny samy kristianina rehefa hita fa misy kristianina mahafeno fepetra mirotsaka hofidiana amin’ny toerana pôlitika.
Faniriana ny hisian’ny olom-piangonana (pretra, pasitera, relijiozy), izay manana ny fahalalàna sy ny mari-pahaizana amin’izany, mba hitazona toerana ambony ao amin’ny governemanta, raha tsy hilaza afa tsy ny ministeran’ny fampianarana, toy ny any amin’ny firenena hafa izay nahita voka-tsoa tamin’izany.
Tokony hovaina tanteraka ny fanabeazana fototra eto amintsika satria io no fototry ny fivoarana sy ny fampandrosoana ny firenena.

- Filàna ara-bola eo anivon’ny fiangonana: manoloana ny fahitàna ny fahasahiranana ara-bolan’ireo fiangonana/paroasy maro dia nisy ny soso-kevitra ny hananganan’ny fiangonana orinasa ara-barotra (société commerciale) mba hampidi-bola.
Nanamarika moa Mompera Rabenirina fa Vatikana manokana dia efa nanana orinasa fananganana trano goavana tany Italia izay nampiasa olona maro izay tsy voatery ho kristianina na pretra/relijiozy. Mbola sarotra kosa ny hampihatra izany eto amintsika.
Ankehitriny ny fiangonana katolika dia manentana sy mapirisika ny hialana amin’ny “économie spéculative” ary hampiroborobo ilay atao hoe “économie regénératrice”.
- ny Alahady 17 Jolay: fifampahafantaran’ireo tambazotran’ny firohotana kristianina sy fikambanana masina ary fijoroana vavolombelona amin’ny fampiharana ny fiainana maha-kristianina sy ny fiainana andavanandro eto Madagasikara.
- Ny Aomônie Nasionaly, Mompera Randriamanantena Mamy Wilson, SJ., no nanokatra ny fotoana ka nanamafy izy fa ilaina ny fotoana “JCC” toy izao mba hamelombelomana ny finoana sy ny fandraisana andraikitra nirotsahana eo anivon’ny fikambanana satria mety ho azon’ny hakiviana tampoka foana isika amin’ny fotoana rehetra. Mahomby kokoa hoy izy ny miasa ao anaty tambazotra raha oharina amin’ny miasa irery. Fotoana izao hoy izy ny hiverenana amin’ny niandohàna amin’ny resaka ara-panahy indrindra indrindra.
- Ny filoha nasionaly mpisolo toerana, Rahasa Joseph, no nandimby ny fandraisam-pitenenana ka niresaka momba ny fifangaroan’ny maha-malagasy sy ny maha-kristianina, ny fanilikilihana ny maha-malagasy manoloana ny maha-kristianina. Noraisiny ohatra tamin’izany ny fijerena andro tsara na ny tokony ho fitodiky ny trano rehefa hanorina trano ; ny emboka manitra ampiasaina any am-piangonana sy ny menaka ampiasain’ny malagasy. Kanefa maha malagasy antsika ireny ary hita ho misy ny lanjany eo amin’ny fiainana.
- Ny filoha lefitry ny MCCP Tana, Ravahatra Christine, no nandray fitenenana izay nanazava ny sary famantarana (logo) ny Eglizy sinaodaly. Izany moa dia ahitana hazo misandrahaka manakatra ny lanitra izay maneho fahavelomana sy fanantenana ary ny lakroan’i Jesoa. Ny boribory eo amboniny maneho ny Eokaristia mamiratra toy ny masoandro. Ny sampany maro ratsana kosa dia maneho ny Fanahy Masina. Ireo sary olona 15 miara-dia dia maneho ny vahoakan’Andriamanitra izay ao anaty fahasamihafana (taona, fiaviana, laika, pretra, relijiozy) ary ny loko isan-karazany dia maneho ny fahasamihafan’ny volon-koditry ny olombelona ary hafaliana.
- Ny filohan’ny MCCP Tana, Randrianarison Judicaël, no nandray fitenenana farany izay nanazava ny maha zava-dehibe ny vanim-potoana ankehitriny mikasika ny Eglizy miara-dàlana izay tsy asa voafetra ara-potoana fa asa mitohy sy maharitra. Ny fametrahana feno ny tambazotran’ireo fikambanana sy firohontana kristianina (réseutage des associations et mouvements chrétiens) dia dingana iray amin’ny fampiharana ny Eglizy miara-dàlana toy ny fihainoana ny hafa amin’ny alalan’ny fiombonana lalindalina kokoa, firotsahana sy fandraisana anjara misimosy kokoa ary asa fanirahana mivelatra kokoa. Etsy ankilany ny fampiharana ny “andran’ny famangina” (experience de la visitation). Izay tena mifampihaino sy mifankahalala no afaka miara-dàlana, ka nifanatona tsiroaroa ny mpandray anjara (tsy ankifidy namana, fa kianjoanjo) ary nifampizara teboka telo :
- ny mombamomba azy (anarana, aton’asa…) ;
- ny fampiarahany ny finoana sy ny fiainana andavanandro (tranga, sedra…);
- ny faniriana/fanoloran-kevitra tiany ho hampitaina amin’ireo nanatrika (jereo ny teboka faharoa).
Rehefa vita ny fifampiresahana dia samy nanao tatitra mahakasika ny olona nifampiresahany taminy avy ny tsirairay. Niara-niaiky ny mpandray anjara fa nahafinaritra sy nahasoa ilay traikefa “visitation” iny.
- Navondrona daholo izay vita ka nentina nisaotra an’Andriamaitra tamin’ny Sorona Masina ary mibanjina sahady ny Kongresy Nasionaly any Fianarantsoa. Ny fakàna sary fahatsiarovana sy fialàna hetaheta ary sakafom-pirahalahiana no nanakatona ny “JCC 2022”.