[ngg src=”galleries” ids=”9″ display=”basic_thumbnail” thumbnail_crop=”0″]Araka ny fanasan’ny Ekipa Vakinankaratra dia nanantanteraka fitsidihana tany Antsirabe ny membres sasantsasany ao amin’ny Birao nasionaly tamin’ny alahady 21 mey teo, izay notarihin’ny vice-président Judicael sy ny aomonie nasionaly. Tao amin’ny sekoly ambony ESSVA no nanaovana ny fihaonana, izay notarihin’ny Suzette Hazienarivelo, vice-président Ekipa Antsirabe sy ny aomonie P. Elysée Solofo. Natomboka tamin’ny Sorona Masina ny fotoana ary avy eo, tonga dia niroso tamin’ny fivoriana. Ny tena antony fivoriana moa dia ny fanomezana aina indray ny firohotana rehefa “natoritory” kely tao ho ao. Nifandimby nitarika ny resaka ireo membres BN tamin’ny fanazavana ny Bokin’ny Ekipa (livret de l’equipe) mbamin’ny tsoan-kevitra tamin’ny RCN (Réunion de coordination nationale) farany izay natao tany Benasandratra-Fenoarivo tamin’ny volana Avrily lasa teo. Anisan’ny fanontaniana nivoitra avy amin’ny mpikambana Antsirabe, ka nitondrana fanazavana, ny mikasika ny resaka ACA (Association des Cadres d’Antsirabe) izay mbola maro tamin’io no mamorina ny MCCP-Antsirabe. Sakafom-pianakaviana moa no namaranana ny fotoana.