Araka ny programa efa raikitra tamin’ny rencontre de coordination nationale tamin’ny volana Avrily dia nitsidika ny mpikambana MCCP any Tsiroanomandidy ny membres sasany ao amin’ny birao nasionaly, izay nahitana an’i Bakoly (Trésorière nationale adjoint), Noromalala (secretaire nationale), Hanta Razanamahery (conseillère nationale), P. Mamy Wilson (aumonier national). 13 ny mpikambana tonga tamin’ny fihaonana, izay notarihin’i Andriamamonjison Jenny Alpha (dit “Fafah”), izay vao lany ho filohan’ny ekipa, sy ny aumonier P. Rakotojaona Jaonah Felix. Nisy moa ny fanentanana fohy nataon’ny filoha vaovao nandritra ny lamesa tamin’ny 9ora maraina. Taorian’ny sorona masina dia nisy ny dinidinika ambany tafotrano izay nitondran’ny mambra Birao nasionaly fanazavana momba ny zava-dehibe sasany mikasika ny fikambanana, tahaka ny Zaikabe tany Fianarantsoa (Aogositra 2022), ny rencontre de coordination nationale tany Benasandratra (Avrily 2023). Nisy ihany koa ny fanazavana ny bokin’ny ekipa sy ny pitsopitsony rehetra mahakasika ny fiainam-pikambanana. Fanontaniana nombam-panakalozankevitra no notanterahina avy eo. Nofaranana tamin’ny sakafom-pianakaviana alohan’ny fiverenana tany an-drenivohitra. Hitombo hirotsaka amin’ny ekipa any an-toerana anie ny herin’ny Fanahy Masina satria miatrika fanamby goavana ihany ry zareo any. Momba izay indrindra dia mangataka rojombavaka manonkana amintsika ry zareo hoan’ny prefet teo aloha sy ny DREN (izay samy membres MCCP) kanefa dia hanaovan’ny tompon’andraikitra ara-panjakana antsonjay sy ramatahora noho ny fijoroan’izy ireo amin’ny fahamarinan’ny Vaovao mahafaly. Ilay voalohany moa tsy vitan’ny hoe naato tamin’ny asany fa mbola nanaovana antsonjay isan-karazany. Ilay faharoa indray dia natao “sarika am-pandriana” mihintsy. Maneho ny maha-sarotra ny fijoroana ho vavolombelon’i Kristy eo amin’ny fampanjakana ny fahamarinana eo amin’ny fiarahamonina. Indrindra ho antsika cadres sy decideurs ary professionels. Mankahery antsika rehetra. AMDG.