Miarahaba antsika rehetra MCCP manerana ny Nosy. Mahafaly ny milaza amintsika rehetra fa rehefa nandinika ny propositions de thèmes rehetra voarain’ny Birao nasionaly mikasika ny 9ème Congrès National any Mahajanga (14 – 15 – 16 – 17 Aout 2025) dia ity manaraka ity no voatana.
“Cadres Chrétiens Porteurs d’Espérance œuvrant pour un Développement Intégral face aux Défis Contemporains”
“Mpiandraikitra kristianina mpitondra fanantenana mikatroka ho an’ny fampandrosoana feno manoloana ny fanamby ankehitriny.”
Tsiahivina ihany moa ny làlana (processus) nahazoana izany. Nampiasa karazana “algorithme” ny Birao nasionaly mba hamondronana sy hamintinana ireo thèmes misimisy ihany (manodidina ny 30) avy amin’ny equipes locales, na avy amin’ny olona sasany manerana ny nosy.
Ilay algorithme dia manaraka masontsivana dimy ka nahafahan’ny BN nahita ny formulation-n’ilay thème “Cadres chrétiens porteurs d’espérance œuvrant pour un développement intégral face aux défis contemporains“:
- avy amin’ny masontsivan’ny dimensions 5-n’ny MCCP,
- avy amin’ny masontsivana nifototra tamin’ireo themes sy orientations rehetra izay hita tamin’ny RIDE 4 manerana ny nosy (Nord, Centre, Sud, Est),
- avy amin’ny zavamisy ara-piangonana (Jobily lehibe amin’ity taona ity),
- avy amin’ny zavamisy ara-tsosialy sy politika eto an-toerana sy maneran-tany,
- avy amin’ny teny-fanalahidy (mots-clés) niverimberina tamin’ireo soson-kevitra thèmes samihafa. Rehefa nojerena daholo ireo ary namboarina ny formulation dia io ambony io no valin’ny discernement.
Tsapan’ny rehetra fa nahafintina ny tian-ko lazaina. Tsapa fa niasa ny fanahy masina tamin’lay processus miainga avy aty ambany (bottom up). Mbola hampitaina amintsika eto ihany ny citations bibliques mifanandrify amin’izany. Torak’izany ny logo sy ny hira faneva izay hanaraka aoriana kely.
Dieny izao ary dia efa trotrointsika am-bavaka sahady io fotoan-dehibe miandry antsika sy andrasantsika io, mba samy hiomankomana daholo isika mianakavy.
Ho voninahitr’andriamanitra lehibe indrindra.
P. Mamy Wilson, sj.
Aumônier national
Inscription: Cliquer ici pour s’incrire