MCCP

Famintinana ny fitsidihana nataon’ny Birao nasionaly tany Soavinandriana (1-2 Oktobra 2022)

Araka ny fanasan’ny Ekipa Soavinandriana dia nanantanteraka fitsidihana tany Soavinandriana-Itasy ny Birao nasionaly (Judicael Randrianarison, Filoha lefitra nasionaly, Christine Ravahatra, mpitam-bola nasionaly, P. Mamy W. Randriamanantena, SJ., aomonie

Ireo solontenan’ny Birao nasionaly tany Soavinandriana

 nasionaly) ny sabotsy 1 sy Alahady 2 Oktobra 2022. Vao nigadona izy ireo ny marainan’ny Sabotsy 1 Oktobra, dia avy hatrany niroso tamin’ny famalaberan-kevitra niarahana tamin’ny komitim-piangonana rehetra ao amin’ny distrikan’i Soavinandriana-Itasy (300 mahery). Famoaboasana ny dia ny lafiny sasany amin’ny fiainam-pirenena no nataon’ny mpandaha-teny. Navoitra tamin’izany ny singa sasany nodinihina tany amin’ny Kongresy fahavalo mikasika ny fahalovana misy eto amin’ny firenena:  tsolotra mielim-pantrana, ny fahapotehan’ny tontolo iainana, ny firaviravian-tanana, sns. Lohahevitra sasany avy amin’ny Fampianarana Sosialin’ny Fiangonana (FSF) moa no mason-tsivana nentin’ireo mambran’ny birao nasionaly nijerena ny olana misy sy nitondrana vaha-olana: hasin’ny olombelona, zon’olombelona, zo sy adidy eo amin’ny fiarahamonina, ny soa iombonana, ny firaisan-kina, ny “principe de subsidiarité.” Hita fa nahaliana ireo komity ny famelabelarana, izay tsinjo tamin’ny fanontaniana napetrak’izy ireo.

Taorian’ny sakafo atoandro dia niroso tamin’ny fihaonana niarahana tamin’ny mambra MCCP (14) izay natokana tamin’ny fanazavana ny fikambanana (Orientations et Statuts), ny kongresy farany, ny fehin-kevitra, ny tantaram-pikambanana. Vao haingana ihany manko ny nijoroan’ny firohotana tany an-toerana (2021-2022), hany ka tsy dia fantatr’ireo mambra loatra ny fikambanana. Nazavain’ny mpandaha-teny ihany koa ny Bokin’ny Ekipa izay mirakitra ny fomba fanantanterahana fivoriana MCCP, ny fomba entina manantanteraka ny asa fikatrohan’ny MCCP (ny fahasamihafan’ny “activités” sy ny “actions”).Navoitra ny pedagojim-pikatrohan’ny MCCP dia ny “Immersion” (fidirana an-tsehatra), ny “Reflexions” (famakafakana- fandanjalanjana- fivavahana) ary ny “Engagement” (Fikatrohana).

Ny Oniversiten’Itasy ao Soavinandriana

Mbola notohizina ny Alahady 2 Oktobra maraina (taorian’ny lamesa) moa ny fihaonana ombam-panazavana isan-karazany izay niompana tamin’ny Bokin’ny Ekipa. Nasongadi’n’ny aomonie nasionaly ny maha-zava-dehibe ny atao hoe “Cercle Pastoral,” izay sady strateziam-pihatrohana mahomby no fomba fisainana matanjaka enti-mijery zavatra. Taorian’ny fivoriana dia niroso tamin’ny fitsidihana orinasa iray fitrandrahana Huile essentielle samihafa, izay eo ambany fitantanan’ny mambra MCCP mavitrika iray any Soavinandriana, dia i M. Harimanana Peno. Variana sy talanjona ireo mpivahiny nahita ny asa lehibe tanterahan’ity orinasa ity, izay miezaka mitondra fanavaozana tsikelikely amin’ny fiarahamonina any an-toerana, indrindra ny mikasika ny fikajiana ny tontolo iainana (fanaovana pepinières zanan-kazo maro, fitrandrahana rano sy fizarana izany amin’ny mponina manodidina, sns). Anisan’ny nanaitra ny asa fikarohana momba ny angovo izay azo asolo ny saribao sy kitay. Midika izany fa miditra miandalana amin’ny asa goavana sy sarotra enti-manova ny fiarahamonina ny MCCP any an-toerana. Mahavità be ry havana isany! Sakafo niarahana tamin’ireo mambra rehetra (izay natao tany an-tranona mambra iray) no namaranana ny fitsidihana tany Soavinandriana. Ho vonahitr’Andriamanitra lehibe indrindra!   

1 Comment

  • Sahondra Raharilalao

    octobre 25, 2022 - 1:23 pm

    Mirary fahombiazana amin’ny asa fikatrohantsika MCCP hoan’ny ekipan’i Soavinandriana! Tena mipoa-tsatroka izahay amin’ny asa fiarovanareo ny tontolo iainana. Mirary izahay ny mba izaranareo izany traikefa izany amin’ny fihaonana ho avy

Leave A Comment