Ny 26 Janoary 2023 dia nihaona tamin’ny Tale Radio TSIRY ny solontenan’ny Birao MCCP eto Fianar ka nifampidinihina tamin’izany ny hanaovana fandaharana amin’ny agnaran’ny MCCP. Nilamina ny resaka ary isaky n’y asabotsy tapabolagna no anjarantsika. Mifanelanelana amin’ny Justice et Paix.
Natomboka ny Sabotsy 25 February Teo no nisantatra izany ny Filoha Rabialahy sy Filoha Lefitra Lydia. Lohahetra :[ngg src=”galleries” ids=”14″ display=”basic_thumbnail” thumbnail_crop=”0″]Fampahalalana ny MCCP sy ny hiatsorohany.
Ny 22 /02/23,indray dia nihaona tamin’i SE Arseveka Tao Ambozontany. Nisaotsa ny fiaraha-miasa rehetra nandtitra ny taona 2022, sy ny Asa miandry ny MCCP mandritra ity taona 2023. Tsotra ny teniny fa manana adidy lehibe isika lahika miatrika izao fijalian’ny vahoaka izao. Nandtitra io no nilazany fa efa nifampiresaka izy sy ny Pronvesialy Jezoita fa Mopera ANDRIANTSIFERANA Désiré SJ no Aumônier vaovao ary Mopera Miandrisoa manampy azy. I Mopera Victor Rabenandrasana dia RAR MCCP izy satria noho ny fahalehibiazany dia tsy afaka misahana izany Koa aloha.
Ny Sabotsy 24/02/23,tamin’ny 10 izahay no nihaona voalohany tamin’ I Pr Aumônier Tsiferana Tao Mahamina. Vonona tanteraka izy ary nifandinika sy nifampizara momba ity Firohotana ity.
Mankasitraka hatrany antsika Birao Nasionaly amin’ny fitsinjovana sy fanampiana anay. Vonona izahay ny hampivelatra sy hanao ny adidy masina ho an’ny Fiangonana sy ny fiaraha-monina.
Samy Hotahian’Andriamanitra aby
Lydia Ranoronirina
Filoha Lefitra MCCP Fianarantsoa
Tel 0341235090