MCCP

28 Mars : Fivoriambe MCCP Mahajanga

Tanteraka ny fivoriambe MCCP Mahajanga.
Lahadinika tamin’izany ny fanaovazana ny maha mpikambana eo anivon’ny MCCP, fanaovana ny tatitra ara bola.
Nisy ihany koa ny fandinihana ireo asa miandry ny MCCP Mahajanga hoan’ity taona ity sady hanomanana sahady ny fiatrehana ny fivoriana Nasionaly. Nidinika ny fitadiavambola ihany koa mba entina hanatevenana ny kitapombolan’ny MCCP.
Hozaraina vaomera ny mpikambana mba ahafahana ihany koa mandrindra ny fandaharana isaky ny Zoma ao amin’ny radio JRDB.
Araka izany dia ny mpikambana no hisafidy ny thématique izay manandrify azy.
Namaranana ny fivoriana dia nisy ny fandraisana ny namana vaovao mpikambana miisa telo. Araka izany dia mitombo isanandro ny mpikambana MCCP eto Mahajanga.
 
[ngg src=”galleries” ids=”6″ display=”basic_thumbnail” thumbnail_crop=”0″]

Leave A Comment